Ilay namana ho anao Jesosy namanao

Jesus is your friend

Izaho dia manana namana iray ary tsy mbola nanana namana tsara indrindra ohatr’izao aho hatramin’izay. Izy dia sady tsara fanahy no marina ka tiako koa ianao ny hahalala Azy. Jesosy no anarany. Ny zavatra mahafinaritra dia te ho namanao Izy.

Mamèla ahy ary hanambara aminao ny momba Azy. Vakiantsika ao anaty Baiboly ny tantara. Ny Baiboly dia marina. Tenin’Andriamanitra.

Andriamanitra no nahary izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Andriamanitry ny lanitra sy ny tany Izy. Izy no manome aina sy fofon’aina ny zavatra rehetra.

Lahatsoratra feno ny: Ilay namana ho anao Jesosy namanao

God's creation

Jesosy dia Zanak’Andriamanitra. Nirahan’Andriamanitra avy tany an-danitra ho ety an-tany Izy mba ho Mpamonjy antsika. Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao (izany hoe tia ahy sy anao Izy) nomeny ny Zanany lahy tokana, Jesosy, (mba ho faty noho ny fahotantsika) mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay (Jaona 3:16).

Tonga tety an-tany Jesosy tamin’ny alalan’ny zazakely. Josefa sy Maria no dada sy mamany tety an-tany. Teraka tany an-tranon’omby Izy.

Jesus' birth

Nialehibe niaraka tamin’i Josefa sy Maria Jesosy ary nankatoa azy ireo Izy. Nanana rahalahy sy anabavy niaraka nilalao taminy koa Izy. Nanampy an’i Josefa tany amin’ny toerana fandrafetana nisy azy Jesosy.

Jesus and the lad with food

Rehefa lehibe Jesosy dia nampianatra ny olona mikasika ny Rainy any an-danitra Izy. Nasehoany an’izy ireo fa tia azy ireo Andriamanitra. Nanasitrana ny marary Izy ary nampionona izay manana olana. Naman’ny ankizy Izy. Tiany ho teo akaikiny ny ankizy. Nanokana fotoana ho azy ireo Izy. Tia an’I Jesosy koa ny ankizy ary nankafy niaraka Taminy.

Misy olona anefa tsy mba tia an’i Jesosy. Nialona Azy ireo ary tena nankahala Azy mihitsy. Tena nankahala Azy izy ireo ary te hamono Azy mihitsy. Nisy andro iray nahatsiravina fa novonoin’izy ireo Jesosy tamin’ny nanombohan’izy ireo Azy tamin’ny hazo fijaliana. Tsy mba nanao zavatra ratsy na inona na inona anefa Jesosy. Izy no tsy maintsy maty teo amin’ny toerantsika satria izao sy ianao dia nanao ratsy.

Jesus on the cross

Ny tantaran’i Jesosy dia tsy nifarana tamin’ny fahafatesany. Nanangana Azy tamin’ny maty Andriamanitra avy eo dia niverina any an-danitra Izy. Nahita izany ny mpanara-dia Azy.

Androany afaka mahita sy mandre anao Izy. Fantany ny momba anao rehetra ary miahy anao Izy. Manatona Azy amin’ny vavaka. Ambarao Aminy ny momba ny olanao rehetra. Vonona ny hanampy anao Izy. Afaka manondrika ny lohanao ianao ary miresaka Aminy amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra.

Hiverina indray Izy indray andro! Hitondra ireo rehetra mino Azy ho any an-danitra Izy.

Jesus listening to a woman pray

Mifandraisa aminay

Manafara trakta