Ilay Mpamonjy ho anao

The prodigal son asking his father for his inheritance

Sambatra ve ianao? Ny tahotra sy ny fanamelohan-tena ve manaisotra ny hasambaranao? Mety manotany tena ianao hoe ahoana no ahitako fahasambarana?

Manana vaovao tsara ho anao aho! Misy olona iray afaka hanampy anao. Afaka ny hamela ny fahotanao izy ary hanome anao fahasambarana maharitra. Jesosy no anarany. Mamelà ahy ary hilazalaza aminao ny momba azy.

Ny Rainy dia Andriamanitra, Ilay nahary izao tontolo izao. Izy no namorona ahy sy ianao.

Andriamanitra dia tia antsika. Tia ny rehetra eto amin’izao tontolo izao izy. Tena tia antsika izy ka nandefa an’I Jesosy, Ilay zanany lahy tokana teto amin’izao tontolo izao. Rehefa tety an-tany Jesosy dia nanasitrana ny marary ary nampionona ny malahelo. Nampahiratra ny mason’ny jamba izy. Nampianatra zavatra maro ny olona izy.

Lahatsoratra feno ny: Ilay Mpamonjy ho anao

Tian’I Jesosy ho tsapantsika ny fitiavana lehiben’ny Rainy ho ahy sy anao. Mba hanazavana izany fitiavana izany dia nilaza ity tantara ity izy. Azonao vakiana ao amin’ny Lioka 15:11-24.

Nisy lehilahy nanana zanaka roa. Nieritreritra izy fa nandeha tsara daholo ny zavatra rehetra. Indray andro anefa dia nanohitra azy ny iray ary nilaza taminy “Tsy tiako ity ankohonana ity, te handeha amin’ny lalana izay tiako aho. Handeha aho. Omeo ahy ny anjara lovako”. Nalahelo ilay Rainy kanefa nanome azy ny vola ary namela azy nandeha. Lasa vinany izy ka nanontany tena raha mbola ahita io zanany io indray.

Lasa lavitra tany amin’ny nalehany tany ilay zanany, niliba tamin’ny volany niaraka tamin’ny namany. Lany tamin’ny fanaovana fiainana ny volany. Nieritreritra izy fa hahafinaritra foana izany kanjo lany tampoka ny vola ary nandao azy ireo namany. Irery izy ary tena sahirana. Inona ary izao no hataony?

Lasa tany amin’ny mpamboly sy mpiompy iray izy. Nasain’ity farany namahana kisoa izy. Zara raha nisakafo anefa izy ka tena noana ary sakafon’ny kisoa no nohaniny. Nanombka nieritreritra tamin’ny zavatra ratsy rehetra nataony izy sy ny nanaovany tsinotsinona ny Rainy. Nahonena ary nahonena hatrany izy.

The prodigal son feeding the pigs

Indray andro tsaroany ilay fitiavan’ny Rainy sy ny namelomany azy tamin’izy mbola tao an-trano. Na dia ny mpiasan-drainy aza dia nisakafo be tokoa.

Nieritreritra izy “ahoana no hiverenako any amin’i dada manoloana ny zavatra rehetra nataoko taminy? Mbola ho tia ahy ihany ve izy? Tsy mendrika ny ho zanany intsony aho. Vonona aho na dia ho mpanampiny aza raha raisiny”.

Avy hatrany dia nitsangana izy ary lasa ho any an-tranon-drainy. Ho hitany eo raha hamela azy ny rainy.

Tena nalahelo an’ity zanany ity tokoa ny rainy tamin’ny fotoana nadehanany. Natetika izy no manontany tena hoe “mbola hiverina ihany ve izy?” indro indray andro nahita avy lavitra izy olona iray manatona. Ilay zanany ve ity? Rehefa hitany fa tena ilay zanany ity dia nihazakazaka izy ary namihina azy.

“Dada” hoy ilay zanany “nanota aho ary tsy mendrika ny ho zanakao”.

Fa ny rainy kosa nanao hoe “alaivo ny akanjo tsara indrindra ho azy ary karakarao ny lanonana”. Very ny zanako fa hita indray.

The father welcoming the prodigal son home

Isika dia mitovy amin’ity zanaka lahy ity. Efa samy nania tamin’Andriamanitra Raintsika isika rehetra. Nandany fotoana sy zavatra maro betsaka izay nomeny antsika isika. Niaina tamin’ny maha-antsika fotsiny antsika ihany isika ary nanohitra Azy. Androany manasa antsika hanantona an’I Jesosy ny Raintsika any an-danitra. Mitsotra ny tanany ary miandry antsika Izy.

Nasehon’i Jesosy antsika ny fitiavany tamin’ny nanolorany ny ainy ho fanatitra amin’ny fahotantsika sy ny fahotan’izao tontolo izao. Niaritra fijaliana ary natao tsinontsinona izy tamin’ny namelàny ireo olona ratsy namantsika azy teo amin’ny hazo fijaliana.

Nohon’ny Herin’Andriamanitra dia nitsangana tamin’ny maty Izy ary velona mandrakizay.

Manatona an’i Jesosy ary mangataha Aminy mba hamela ny fahotanao. Rehefa hitany fa manenina ianao tamin’ny zavatra ratsy izay nataonao dia hamela anao Izy ary hanasa ny fahotanao rehetra amin’ny Ràny izay nalatsany. Tena ho fahatsapana hahafinaritra tokoa izany! Ho lasa olom-baovao tokoa ianao. Hisy dikany vaovao aminao ny fiainana. Hosoloin’i Jesosy amin’ny fifaliana sy fahasambarana ny heloka sy ny tahotrao. Izy no ho mpamonjy anao.

Mifandraisa aminay

Manafara trakta