Ilay ondry very

The searching shepherd, sheepfold

“Iza aminareo no manana ondry zato, ka very ny iray, ka tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy; Ary izay nahita, dia tsy mitondra izany amin’ny hafaliana; Ary rehefa tafiditra ao an-trano izy, dia antsoy ny sakaizany sy ny namany, ka lazao aminy hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very” (Lioka 15:4-6).

Jesosy ilay Mpiandry marina

Ny tantara manaraka manambara ny fitiavan’i Jesoa sy ny fikarakarany ny olona rehetra. Nisy mpiandry ondry iray nanana ondry zato. Tiany ny ondriny ary niandry azy ireo teny amin’ny lohasaha nahafinaritra tany an-tendrombohitra izy. Ny lohasaha dia toerana azo antoka fa ny tendrombohitra kosa dia nampidi-doza. “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, mampandry ahy eo amin’ny ahi-maitso Izy mitondra ahy eo amin’ny loharano fialan-tsasatra izy” (Salamo 23:1-2).

Nandroaka ny ondriny tany an-tendrombohitra ny mpiandry ondry indraindray mba hitady ahitra. Ny mpiandry ondry dia niambina ny ondry, niaro azy ireo, avy eo nitahiry ny ramena teo amin’ny lohasaha alohan’ny alina. Rehefa tonga teo amin’ny valan’ondry izy ireo, dia nanisa ny ondry ilay mpiandry ondry nitandrina tsara rehefa namaky ny varavarana. “Dia hoy Jesosy taminy... Izaho no vavahadin’ny ondry... raha misy miditra amin’ny alalako dia hovonjena izy” (Jaona 10:7, 9).

Ilay ondry iray very

Lahatsoratra feno ny: Ilay ondry very

Lost Sheep bramble

Indray hariva, nanisa ny ondriny ilay mpiandry ondry ka sivy amby sivifolo sisa tavela. Mbola tavela any an-tendrombohitra ny iray amin’ireo ondry. Nahavariana azy ny mikasika ny tontolo manodidina izay mety nampianjera ilay ondry any aoriana. Bozaka maitso no nisarika azy hiala amin’ny lalana tokony halehany. Nijanona ilay ondry nandinika ny voninkazo, ny hazo ary ny kirihitr’ala izay tsy tsikariny taloha. Voasarika tamin’ny zava-baovao hitany izy ka nanadino nanaraka ilay mpiandry ondry ary tavela lavitra tany aoriana. Nony tonga ny hariva tsapany tampoka fa lavitry ny fonenany izy. Natahotra izy ary nanomboka nihazakazaka. Very hevitra izy ka diso lalana. Tsy afaka nahita ilay mpiandry ondry izy, ireo ondry namany ary ny lalana mody.

Nony ny alina dia tonga ny tafio-drivotra. Nialoka tao ambany kirihitr’ala ilay ondry very, kotsa sy nijaly. “Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra” (Isaia 53:6).

Nitsahatra ny kotroka sy ny orana tamin’ny farany. Ny tabataba sy ny aloky ny alina dia nampatahotra ny ondry, izay nanomboka nihazakazaka indray. Nandriatra azy ny tsilo ary nanomboka nandeha ra izy. Tao aoriany dia nisy amboadia mierona nahita ny diany ary nanenjika azy.

Ny mpiandry ondry mitady ny ondriny

The searching shepherd, sheepfold

Rehefa tsapan’ilay mpiandry ondry fa tsy ao ny iray amin’ireo ondry. Nanidy ny vavahady makany amin’ny valan’ondry izy, nandray ny tehiny ka niverina teny an-tendrombohitra. Nihatrika ilay tafio-drivotra sy ny hamaizinana izy. Noana, kotsa ary nangatsiaka. Nijanona matetika izy mba hiantso ilay ondry fa tsy naheno valiny.

Reraka izy fa nikiry nanohy hatrany ny fikarohany. Reraka izy, nefa nanohy nitady tamim-paharetana. Rehefa nandre ny fidradradradran’ny amboadia teny lavidavitra ny mpiandry ondry, dia fantany fa tandindonin-doza lehibe ny ondriny. Nandeha haingana tamin’izany lalana izany izy. Afaka mamonjy ny ondry ve izy dieny tsy mbola tara?

Nandre ny fitarainan’ny amboadia koa ireo ondry very. Tsy nitsahatra nihazakazaka izy mandra-paleminy sy reraka. Tsy fantany fa ny amboadia masiaka manenjika azy mankany amin’ny fandrika. Tena sarotra taminy ny alina. Tratran’ny tsilo teo amin’ny sisin’ny hantsana ilay ondry. Nandeha rà izy, reraka ary voahodidin’ny amboadia. Niady mafy izy. Toa tahaka ny tapitra ny fiafarany. Ny hany azony natao dia ny nikiaka niantso vonjy.

Voavonjy ilay ondry

Sheep caught, wolves, Shepherd rescuing

Nandre ilay mpiandry ondry ka tonga haingana! Tsy natahotra izy fa nifanandrina tamin’ireo amboadia ary nandroaka azy ireo. Nanatona ny ondriny nitomany izy ary nisintona azy moramora avy teo amin’ny tsilo ary nitondra azy niala teo amin’ny sisin’ny hantsana. Nandio ny feriny ary nanosotra menaka fanasitranana azy. Avy eo dia nitrotro azy ary nitondra azy tamim-pitiavana nankany amin’ny valan’ondry. Hita indray ilay ondry very. “Hizaha ny ondriko Aho ka hanangona azy” (Ezekiela 34:12).

Tahaka ny ondry very isika rehetra. Jesosy, ilay Mpiandry Tsara, dia tia antsika ary manolotra fialofana ho antsika. Misy fahavalo te hanimba ny fanahintsika koa. I Satana dia maka fanahy antsika amin’ny zavatra maro mamitaka, ary mampanantena antsika ho fiarovana sy fahafinaretana. Amin’ny farany, dia mamela antsika ho foana ny fampanantenany. Diso sy sarotra takarina ny fahasambarana sy fahatanterahan’i Satana ho antsika. Kivy sy matahotra izahay; voa sy rovitra izahay. Mirenireny jamba izahay ka tsy afa-mandositra.

Soa ihany fa nanome fomba fandosirana i Jesosy. Miambina hatrany an’ireo voafandrik’i Satana sy voafandriky ny tetiny Izy. “Fa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” (Lioka 19:10).

Hoy i Jesosy ao amin’i Matio 11:28 “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” Tsy maintsy mivavaka amin’i Jesosy isika, miaiky ny fahotantsika ary mangataka famelan-keloka. Avy eo dia ankinintsika Aminy tanteraka ny fiainantsika, ka mahafoy ny lalan-dratsintsika. Maty ho antsika Jesosy ary nanonitra ny fahotantsika tamin’ny rany mba ho madio sy ho afaka eo anatrehan’Andriamanitra isika. Misy fifaliana lehibe any an-danitra rehefa hita ny ondry very iray ary naverin’ny mpiandry ondry ho ao amin’ny valany. “Ary raha sendra hita izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mifaly amin’izany izy noho ny sivy amby sivi-folo izay tsy nania” (Matio 18:13).

Sheep rescued

Mifandraisa aminay

Manafara trakta

Ilay efitrano

Izao no lazain’ny Baiboly masina: “Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany” (Apokalipsy 20:12). Io andalan-tsoratra masina io maneho antsika fa Andriamanitra dia mitahiry sy mahafantatra izay ataontsika rehetra.

Joshua Harris, tovolahy izay any amin’ny firenena Maryland any Etazonia, nivahiny andro vitsy tao Porto Rico izay nahazahoany nofy ny alina izay nivahinianany tao. Rehefa nieritreritra izy dia nahatsapa fa nataon’ Andriamanitra izany nofy izany noho ny tsy fahatokiany. Ilay nofy dia nampatsiahy azy ny herin’I Jesosy sy ny rany izay nanova ny fiainantsika. Tianay indrindra ny mizara aminareo ny tantarany.

***

Ilay efitrano

Eo anelanelan’ny fifohazana sy ny nofy aho dia nahita ny tenako tao amin’ny efitrano fatoriana. Tsy nisy zava-mahatalanjona tamin’izany, afa-tsy ny rindrina iray izay rakotra kabinetra firaketana. Izy ireo dia mitovy amin’ny an’ny trano famakiam-boky izay manangana lohateny araka ny mpanoratra na araka ny lohahevitra araka ny abidia. Na izany aza, ireo rakitra ireo, izay mivelatra hatrany amin’ny gorodona ka hatrany amin’ny valindrihana ary toa tsy misy fetra na aiza na aiza, dia nanana lohapejy maro be. Ny tena nanintona ny masoko rehefa nanatona ny rindrina aho dia ilay misy marika hoe “Zava-vavy tiako”. Noho izany dia nanokatra ity rakitra ity aho ary nanomboka namadika ny pejy. Nohidiako tampoka ilay izy: taitra aho, satria hitako fa fantatro ny anarana tsirairay.

Na dia tsy nisy nilaza izay nisy ahy aza dia efa fantatro tsar any toerana misy ahy.

Ity efitrano tsy misy aina, miaraka amin’ireo rakitra keliny, dia karazana katalaogy teo amin’ny fiainako izay nandrakitra an-tsoratra ny zavatra nataoko isan’andro. Na ny asa kely na ny lehibe dia voarakitra ao anatin’izany amin’ny antsipiriany ka tsy afaka mifanandrify aminy ny fitadidiako.

Lahatsoratra feno ny: Ilay efitrano

Noho izany, nifangaro tamin’ny horohoro ny fahatsapana mahagaga sy ny fahalianana ary nanelingelina ahy rehefa nosokafana kisendrasendra ireo rakitra mba hahitana ny ao anatiny. Ny rakitra sasany dia nanome ahy ny fahatsapana fifaliana sy fahatsiarovana tsara, fa ny hafa kosa nahatonga ahy ho menatra sy nanenina.

Mafy tokoa ireo fihetseham-po farany ireo ka nijery ny manodidina ahya aho sao misy olona manara-maso ahy. Nisy fisie iray mitondra ny lohateny hoe “Namana” dia teo akaikin’ny iray mitondra ny lohateny hoe “Namana novadihiko”.

Ny lohatenin’ny rakitra dia nanomboka tamin’ny mahazatra ka hatramin’ny hafahafa tanteraka. Ohatra, “Boky novakiako”, “Lainga nolazaiko”, “Fampiononana nomeko olona”, “Vazivazy nampifalifaly ahy”. Ny lohateny hafa, etsy ankilany, dia saika mahatsikaiky amin’ny fahamarinany, toy ny hoe “Zavatra nodradraiko tamin’ireo rahalahiko”. Ny hafa tsy mahafinaritra loatra “Zavatra nimonomononako tamin’ny ray aman-dreniko”. Tsy nanakana ahy tsy hiraharaha mihitsy ny votoatin’ireo rakitra ireo. Matetika, mifanohitra amin’ny nantenaiko, dia nisy karatra maro tao anatin’ireo rakitra ireo. Indraindray dia maro noho izay nantenaiko aza

Tohina mafy tamin’ny tena refin’ny fiainana niainako hatramin’izay aho. Nanontany tena aho hoe tamin’ny fomba ahoana no nahafahako nanoratra ny tsirairay amin’ireo karatra an’arivony, na an-tapitrisany maro, tao anatin’ny roapolo taona. Nanamafy izany fahamarinana izany anefa ny karatra tsirairay. Satria ny karatra tsirairay dia nosoratan’ny tanako ary nitondra ny soniako.

Rehefa nosintoniko ilay rakitra mitondra ny lohateny hoe “Ireo Hira nohenoko”, dia hitako fa nitombo ireo rakitra mba handraisana ny ao anatiny. Nafenina mafy tao anatin’ilay rakitra ireo karatra, saingy na dia taorian’ny fiparitahana roa na telo metatra aza, dia tsy hitako ny faran’ilay rakitra. Nanakatona azy aho, menatra, tsy noho ny kalitaon’ny mozika, fa noho ny fotoana lany nasehon’ilay rakitra.

Rehefa tonga teo amin’ilay rakitra mitondra ny lohateny hoe “Eritreri-dratsy aho”, dia nanomboka natahotra aho. Iray santimetatra monja no nosintoniko, tsy nieritreritra ny hanamarina ny habeny aho. Navoakako ny karatra iray ary dia nangovitra aho rehefa nijery ny vontoatiny amin’ny antsipiriany. Narary aho nieritreritra hoe nisy fotoana toy izany nosoratana tao.

Tampoka teo, dia nahatsapa fahatezerana mafy aho. Tamin’izay fotoana izay, dia eritreritra iray monja no nanenjika ahy: “Tsy tokony hisy hahita an’ireo karatra ireo mihitsy! Tsy maintsy hamotika azy ireo aho!” hoy aho anakampo. Nikoropaka aho, nosintoniko ilay rakitra. Tsy nampaninona ahy intsony ny habeny. Tsy maintsy nofoanako ilay izy ary nodorako ireo karatra na inona na inona lanjany. Na izany aza, rehefa nihazona an’io rakitra io tamin’ny tendrony iray aho ary nanomboka nanipy azy tamin’ny tany, dia hitako fa tsy vitako ny nanala karatra iray. Noho ny famoizam-po dia namoaka karatra hafa indray aho. Rehefa nanandrana nanapaka azy aho dia tsapako fa mafy toy ny vy ilay izy.

Ka resy sy tsy afa-manoatra mihitsy aho. Naveriko tany amin’ny toerana niaviany ilay rakitra. Taorian’izay dia napetrako teo amin’ny rindrina ny handriko, nisento lava noho ny faharesena. Avy eo aho dia nahita rakitra mitondra ny lohateny hoe “Ireo Olona Nozaraiko ny Filazantsara.” Namirapiratra kokoa noho ny an’ny rakitra hafa manodidina azy ny tahony ary saika tsy nampiasaina. Nosintoniko io rakitra io ary nisy boaty kely iray, enina na fito santimetatra monja, latsaka teny an-tanako. Afaka nanisa ireo karatra tao anatiny tamin’ny rantsantanana iray aho.

Dia nirotsaka ny ranomasoko. Nanomboka nitomany aho. Noho ny fitomaniana be loatra lasa naharary ahy ny kiboko ary nangovitra ny tenako manontolo. Nandohalika nitomany aho. Nitomany noho ny henatra, dia ny henatra mihoa-pampana noho ny nataoko rehetra. Toa nihozongozona teo anoloan’ny masoko feno ranomaso ny filaharan’ny kabinetra. “Tsy tokony hisy hahalala mihitsy fa misy io efitrano io. Tsy maintsy manidy azy aho ary manafina ny lakile”, hoy aho anakampo.

Rehefa ritra anefa ny ranomasoko dia nahita olona tao amin’ny efitrano aho. Hoy aho anakampo: “Tsia, azafady, aleo tsy izy, tsy eto ka! Olona hafa, fa tsy Jesosy!” Tsy afa-nanoatra aho fa nijery azy rehefa nanomboka nanokatra ireo rakitra sy namaky ireo karatra Izy. Tsy nahajery ny fihetsiny aho. Rehefa niezaka nanandratra ny masoko aho ka nijery ny endriny, dia nahita alahelo lalina noho ny ahy teo amin’ny tavany aho. Toa nahita rakitra boaty ratsy indrindra Izy. Nahoana izy no tsy maintsy namaky azy rehetra?

Farany, nitodika izy ary nijery ahy, izay nisy ahy teo ampitan’ilay efitrano. Ny fijeriny feno fangorahana nibanjina ahy. Mahagaga fa tsy nampaninona ahy mihitsy izany famindram-po izany. Tamin’izay fotoana izay dia niondrika aho, nanafina ny endriko tamin’ny tanako, ary nanomboka nitomany aho. Afaka nilaza tamiko ny karazana fananarana rehetra izy. Fa Jesosy, tsy niloa-bava akory , dia niara-nitomany tamiko.

Nitsangana izy, niverina nankeny amin’ny rindrina nihazona ireo antontan-taratasy. Nanomboka teo amin’ny faran’ny efitrano iray izy dia namoaka rakitra iray ary nanomboka nanao sonia ny anarany teo ambonin’ny anarako tamin’ny karatra tsirairay. “Tsia!” Nihiaka aho, nandeha nanatona azy. “Tsia, tsia,” izay no hany azoko tenenina rehefa naka ilay karatra teny Aminy. Tsy tokony ho hita amin’ireo karatra ireo mihitsy ny anarany. Fa voasoratra tamin’ny penina mena. Mena midorehitra. Ny anaran’i Jesosy dia nanarona ny anarako. Nosoratana tamin’ny rany izany.

Noraisiny tamim-pitiavana ilay karatra. Nanohy nanao sonia ny hafa izy tamin’ny tsiky mampalahelo. Tsy azoko an-tsaina mihitsy hoe ahoana no fomba nahatongavany tany haingana be. Fotoana fohy taty aoriana, nihevitra aho fa naheno azy nanakatona ny rakitra farany, dia niverina tamiko Izy. Napetrany teo an-tsoroko ny tanany, ary hoy izy: “Vita”.

Dia nitsangana aho ary nentiny nivoaka ny efitrano izay Tsy nisy hidin-trano ny varavarana satria mbola nisy karatra banga tokony hofenoina.

The Room—Copyright 1995—New Attitudes/Joshua Harris

***

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fiainanao? Hoy i Jesosy: “Amin’ny andro fitsarana dia hampamoahina ny olona ny teny foana rehetra izay lazainy.” (Matio 12:36). Raha ny marina amin’ny tenantsika dia tsy maintsy miaiky amim-panenenana sy alahelo isika fa tsy nahomby tamin’ny noheritreritintsika sy ny nataontsika. Indray andro, isika koa dia ho menatra noho ny eritreritra sy ny asa miafina nataontsika. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Romana 2:16: “Amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, arak any filazantsarako amin’ny alalan’I Jesoa Kristy”. Nitory toy izao ny apostoly Petera: “Koa mibebaha, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy ny andro famelombelomana avy amin’ny Tompo.” (Asan’ny Apostoly 3:19). Nosasan’i Jesosy ve ny fahotanao, sa mbola manaraka anao ihany izy ireo ankehitriny?

Te ho afaka ve ianao? Vesaran’ny eritreritra sy ny zavatra taloha ve ianao? Mavesatra ao am-pontsika sy ny fiainantsika ny fahotantsika. Hoy ny Baiboly: “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.” (1 Jaona 1:8). Ary hoy koa izy: “Fa fahafatesana no tambin’ny ota; fa fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 6:23).

Jesosy dia manolotra antsika famelan-keloka. Tonga teto an-tany Izy ary nandatsaka ny rany ho an’ny mpanota rehetra. Tanteraka ankehitriny ny drafitry ny famonjena. Te ho sitrana ve ianao? “Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.” (Jaona 8:36). (Salamo 51) Mankanesa any amin’i Jesosy izao! Mibebaha ary miaiky ny fahotanao. “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela azy sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” (1 Jaona 1:9). Matokia an’i Jesosy hitarika anao ho amin’ny fiainana mahafa-po miaraka Aminy. Haneho anao ny lalana tokony halehanao amin’ny fiainanao andavanandro izany.

Mifandraisa aminay

Manafara trakta

Fiadanana ao anatin’ny tontolo mikorontana

Peace

“Ny Fiadanana, Aiza ny fiadanana? Ao amin’ny firenentsika, ny tokantranontsika, indrindra indrindra ao am-pontsika ary ny fanahintsika ny fiadanana?” Nanakoako nandritra ny taonjato maro io fitarainan’ny famoizam-po io. Ny fitarainan’ny fonao koa ve izany?

Reraka sy manahy izao tontolo izao. Mila tari-dalana sy fitarihana, fiarovana ary fahatokiana isika. Ny zavatra ilaintsika sy iriantsika dia ny saina milamina.

Fiadanana, tena harena! Mety ho hita ao amin’ny tontolo feno fifandirana sy famoizam-po, korontana sy korontana ve izany harena izany?

Lahatsoratra feno ny: Fiadanana ao anatin’ny tontolo mikorontana

Tena zava-poana ny fikarohana! Ny olona dia mikatsaka fiadanana amin’ny laza sy ny harena, ny fahafinaretana sy ny fahefana, ny fanabeazana sy ny siansa, ny fifandraisan’ny olombelona sy ny fanambadiana. Mikatsaka ny hamenoana ny lohany amin’ny siansa sy ny vola, fa ny fanahy kosa mijanona ho akorandriaka foana. Ny hafa mitady handositra ny fiainana amin’ny alalan’ny zava-mahadomelina sy ny toaka, nefa tsy azon’izy ireo ny fiadanana tadiaviny. Mbola banga sy manirery izy ireo, mbola ao anatin’ny tontolo misavoritaka sy mikorontan-tsaina.

Ilay lehilahy mikorontana

Namorona ny olona Andriamanitra ary nametraka azy tao amin’ny zaridaina tsara tarehy iray mba hankafy fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana tonga lafatra. Rehefa tsy nankatò anefa i Adama sy i Eva, dia voaheloka avy hatrany izy ireo. Teo aloha izy ireo dia naniry ny fanatrehan’Andriamanitra, ankehitriny dia niery tao amin’ny henatra. Ny fahatsapana ho meloka sy ny tahotra dia nanjary nisolo ny fiadanana sy ny fahasambarana efa fantany. Ny fahotan’ny olona no niandohan’ny fikorontanan’izao tontolo izao, sy fikorontan-tsaina.

Na dia maniry mafy an’Andriamanitra aza ny fanahintsika, dia miodina amin’ny lalany kosa ny toetrantsika izay mpanota. Io tolona anaty io no mahatonga ny fihenjanana sy ny fahasahiranana. Toa an’i Adama sy Eva, rehefa mitodika amin’ny faniriantsika manokana isika, dia lasa manahy sy tezitra. Arakaraky ny ametrahantsika ny tenantsika ho zava-dehibe kokoa no mahatonga antsika ho sahirana. Ny fisalasalana eo amin’ny fiainana sy ny tontolo miova sy ny fahalavoana dia manozongozona ny filaminan-tsika ary manelingelina ny fiadanantsika.

Na dia mety tsy nahafantatra izany aza ianao, dia mety ho ny ota no antony mampanahy anao. Maro ny olona no mikaroka ny zavatra ivelany sy ny zavatra ara-nofo mba hahitana fiadanana. Ilay tontolo mikorontana no omen’izy ireo tsiny noho ny sainy mikorontana. Tsy vonona ny hijery ny ao am-pony anefa izy ireo.

Jesosy Kristy, ilay Andrian’ny fiadanana

Tsy hisy fiadanana raha tsy ampifanarahana amin’ilay namorona antsika sy mahafantatra antsika amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Tsy azo atao izany raha tsy amin’ny fanoloran-tena tanteraka ho an’i Kristy. Tsy tompon’izao tontolo izao ihany Izy fa mahalala ny fiainantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Nieritreritra antsika Izy rehefa tonga teto amin’izao tontolo izao mba “hazava amin’izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin’ny lalan’ny fiadanana” (Lioka 1:79).

Ny fahazavana no atolotr’i Jesoa ho solon’ny haizina, ny fiadanana fa tsy ady, ny fifaliana fa tsy alahelo, ny fanantenana fa tsy famoizam-po, ary ny fiainana fa tsy fahafatesana. Hoy izy ao amin’ny Jaona 14:27: “Fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko ho anareo… Aza malahelo na matahotra ny fonareo“.

Mitondra fiadanana ny fibebahana

Rehefa mahatsapa ny vesatry ny fahotana eo aminao ianao, dia izao no fanafodiny: “Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo.” (Asan’ny Apostoly 3:19). Manasa anao ho amin’izany traikefa manova fiainana izany i Jesoa. “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” (Matio 11:28). Mampanantena ny 1 Jaona 1:9 hoe: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra”. Manaiky ny fanasany ary ve ianao?

Rehefa manatona an’i Jesosy ianao dia mahazo ny famelan-keloka sy ny fahafahana. Raha tokony ho lonilony sy lolom-po, dia lasa feno fitiavana sy famindram-po ny fonao. Rehefa manjaka ao am-ponao Jesosy dia lasa tia ny fahavalonao ianao. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny herin’ny ram-panavotan’i Kristy.

Ny fiadanana mitoetra

Amin’ny maha-Kristianina antsika, ny finoana an’Andriamanitra sy ny fitokiana amin’ny fitondrany no fanafodin’ny tahotra sy ny tebiteby. Tena mampitony tokoa ny mitoky amin’Andriamanitra izay tsy miova anio ary ho mandrakizay. Tia antsika Izy ary hikarakara antsika mandrakariva. Nahoana no ho sosotra sy mahatsiaro ho voaelingelina isika? Aoka isika hianatra tahaka ny ao amin’ny 1 Petera 5.7 manao hoe: “Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo”. Manana izao fampanantenana izao koa isika: “Ny saina tsy miovaova dia omenao fiadanana, satria matoky Anao izy.” (Isaia 26:3).

Rehefa minana an’i Jesosy Kristy ao am-ponao ianao dia tapitra hatreo ny fikatsahanao ny fiadanana. Izy no hanome anao fiadanana sy fahatoniana izay azonao avy amin’ny fahatokiana Azy ihany. Afaka miteny miaraka amin’ny poeta ary ianao hoe:

Manana ny fiadanana aho, any amin’izay tsy misy fiadanana

Ny fitoniana, any amin’izay tafio-d rivotra

Any amin’ny toerana miafina na mifanatri-tava 

Azoko aleha izany miaraka Amin’ny Mpampianatra ahy.

-Ralph Spaulding Cushman

Hanana fiadanan-tsaina ianao ao anatin’ny tontolo mikorontana! Sokafy ary anio ny varavaran’ny fonao ho an’i Kristy, ary indray andro any dia hanokatra ny varavaran’ny lanitra ho anao Izy, any izay hanjakan’ny Fiadanana tanteraka maharitra mandrakizay.

Mifandraisa aminay

Manafara trakta